Fomba fanokafana kaonty scout.org

Hila kaonty scout.org foana ise na haka certificat SFH2, na hanaraka fiofanana anjotran’ny OMMS, na handray anjara amina hetsika na fanararaotra atolotry ny OMMS.

Ireto avy no dingana arahina raha mbola tsy nanokatra compte scout.org mihitsy ise. Indray mandeha ihany ise no manao an’ity, fa rehefa mahasokatra ise dia amin’ny manaraka avy hatrany dia login (se connecter) sisa no ataon’ise.

  1. Midira www.scout.org amin’ny Google Chrome na Firefox na UC Browser (na izay fampiasan’ise)
  2. Tsindrio eo amin’ny soratra hoe “Login”

3. Efa manana compte scout.org ve ise ?

Raha tena mbola tsy nanokatra compte scout.org mihitsy ise dia tsindrio eo amin’ny “Enregistrement” (na Register”)Raha efa nanokatra compte scout.org ise taloha dia avy hatrany dia soraty ny email sy mot de passe nanokafan’ise ny compten’ise.

4. Fenoy ny fafana

Ny soratan’ise voalohany dia fiantso an’ise (TSY ASIANA ESPACE), karazana kaody io hitadidiavany an’ise amin’ny manaraka.

5. Eo ambany ise manoratra izay ho ataon’ise mot de passe (averina fanindroany eo amin’ilay akaiky)

Ny mot de passen’ise dia tokony

  • hisymajuscule (ohatra : ABCDEFG)
  • hisy minuscule (ohatra: abcdefg)
  • hisy chiffres (ohatra: 01234)
  • hisy marika hafa (ohatra: @+/*-!? )

6. Soraty eto ny adresse email an’ise

Tena adiresy email izay efa fampiasan’ise io fa tsy vao foronina.

7. Manaraka eo ny fanampin’anarana sy ny anarana

8. Eo amin’ny “Country”, safidio hoe Madagascar

9. Tsindrio eo amin’ny ” I’m scout”/”Je suis scout”

10. Eo amin’ny NSA, safidio hoe “Tily Eto Madagasikara”

11. Eo ambain’ilay Tily eto Madagasikara, safidio hoe “French”

Tsy voatery fenoina eo amin’ilay “Spoken languages” sy “Scouting interests”

12. Eo amin’ny “Date of birth”, soraty eo ny daty nahaterahan’ise. Amin’ny endriny “TAONA”-“VOLANA”-“ANDRO”

13. Tsindrio eo amin’ny “Je ne suis pas un robot”

Mety hitranga hoe lasa hisy sarisary maromaro hipoitra eo dia misy karazana sary ho asainy tsindrian’ise (ohatra hoe izay misy bisikleta, na izay misy sarina jiro, sns)

14. Tsindrio eo amin’ilay soratra hoe “I have read and accept the Terms and Conditions”

15. Farany, tsindrio ny bokotra maitsomaitso hoe “Enregistrement”

Raha sanatria tsy tonga dia mandeha dia jereo fa mety misy olana lazainy eny ambony (misoratra menamena). Raha izay no mitranga dia avereno hamarinina sy fenoina tsara ny banga rehetra


Rehefa vita izay, jereo any amin’ny email an’ise fa misy email tonga any (raha tsy hita dia jereo sao lasa any amin’ny spam)

Miverina misokatra ho azy amin’izay ny “scout.org”

Amin’ny manaraka ise rehefa mila manokatra scout.org dia avy hatra ny manindry eo amin’ny “Login” ary fenoy ny email sy ilay mot de passe nataon’ise tetsy ambony

Ilain'ise koa ireto