Fanaovana scan taratasy amin’ny alalan’ny finday

Hanala fahasahiranana ho an’ise ny fahafahana mampiasa ny finday ho solon’ny fanaovana scan eny amin’ny cyber na any amin’ny toeran-kafa. Ny findain’ise nefa dia efa mety hahasolo azy ireny (afa tsy izay mety ho sakana amin’ny kalitaon’ny fakantsarin(ny finday).

Ny ankamaroan’ny finday Android dia efa misy Application Google Drive ao anatiny. Tsindrio elaela eo amin’ny sarin’ny application Drive, dia hisy hipoitra eo hoe “Scan” (na Numeriser)

Velaro amin’ny toerana mazava tsara ny taratasy ho scanner-na. Fadio ny manakon-tena.

Ny finday sasany taty aoriana dia afaka mamantatra irery ny faritry ny taratasy ho scanner-na (Auto-scan) sy avy hatrany dia manao ny scan rehefa hitany ny taratasy.

Raha antontan-taratasy misy pejy maromaro, na misy taratasy mipaingotra aminy dia azon’ise ampiana araka izay ilaina ireo pejy scanner-na : tsindrio ny marika “+” ery ambany. Ireo pejy rehetra mivoaka avy eo dia hitambatra ho PDF tokana.

Rehefa vita izay (afaka ataon’ise isaky ny pejy, na atao indray miaraka ho an’ny pejy rehetra) dia tsindrio eo amin’ny hoe “Filtre”. Io no ahafahan’ise manadio ny endriky ny pejy hahatonga azy ho toy ny taratasy tokoa ka manana safidy ise hoe tsy ho kitihana ve (None), sa avela izy no hahita izay fanadiovana mety indrindra (Auto), sa atao toy ny “scan couleur” (Colour), sa “scan taratasy noir et blanc” (Nuance de gris/Greyscale).

Rehefa vita izay rehetra izay, omeo anarana ny fichier an’ise ary tsindrio ny hoe “Uploader”. Sady mamorona ny fichier PDF izy no avy hatrany dia mandefa azy ho tehirizina ao amin’ny kaonty Google Drive an’ise.

Ireo fichiers PDF azon’ise avy ao dia efa azon’ise ampiasaina amin’izay ilĂ na azy rehetra, toy ny Fampanaovana sonia amin’ny alalan’ny signature Ă©lectronique (mpiandraikitra).

Ilain'ise koa ireto