Ato anatin’ity Tetiandro Faritany ity no ahitan’ise ireo daty tsara ho fantatra rehetra eto amin’ny Faritany : Local, fiofanana, fanekena mpiandraikitra, sns… Araho matetika fa mivoatra araka ny zava-misy io tetiandro io.
Ireo hetsika miatomboka amin’ny hoe “FILOHA :” dia hetsika ho an’ny Filoha ihany.
Fampidirana ny tetiandro ao anaty finday
Azon’ise atao tsara ny mampiditra ny tetiandro faritany hanaraka an’ise hatraiza hatraiza ao anaty finday.
- Midira ao amin’ny rohy bit.ly/AgendaAfovoany
- Tsindrio ny “+” na soratra hoe “Ajouter le calendrier” ery ambany
- Raha mangataka kaonty izy dia midira amin’ny kaonty Gmail an’ise
- Sokafy ny application Calendrier (na Agenda)
Fanamarihana: Ho an’ireo izay mampiasa format ICAL (oh: ho an’ny Filoha rehefa hampiditra azy amin’ny compte-ny Drive Faritany) dia ito no lien ampiasaina:
https://calendar.google.com/calendar/ical/dd60845e836f0d5546b940d5de532d2587453338d1232aa1d9a15c2b404d1536%40group.calendar.google.com/public/basic.ics
Tokony efa hitan’ise ao ireo hetsika eto amin’ny Faritany. Raha tsy mbola mipoitra dia midira ao amin’ny Paramètres an’ny application calendrier > Plus d’agendas > jereo ao ny hoe “Tily Analamanga Afovoany” ary kitiho hivadika maitsomaitso eo amin’ny hoe “SYNC”
Ise no misafidy hoe rehefa inona ise no ampatsiahivina
Midira ao amin’ny application Calendrier > Paramètres > Tily Analamanga Afovoany
Safidio ny fotoana hahazoan’ise notifications fampatsiahivana mialoha. Afaka manisy maromaro ise araka izay ilaina.

