Isan’ny vesatra voalaza miverimberina ho manasarotra ny asan’ny mpiandraikitra ny fampanaovana sonia taratasy isan’ambaratongany.
Vahaolana hihoarana io sakana io sady hanamaivanana lafiny maro amin’ny asan’ny mpiandraikitra ( fivezivezena, fotoana sy hafainganana, vola, traçabilité) ny firosoan’ny faritany amin’ny fampiasana sonia niomerika. Mifanojo tanteraka amin’ny Soridalana hampiroboroboana ny digitalisation eto Analamanga Afovoany ity dingana irosoantsika ity.
Fanoroana ho an'ny Mpiandraikitra, na izay mangataka fampanaovana sonia ity vakian'ise ity. Ankoatra ity dia misy koa fanoroana ho an'ny Filoha, na izay andefasana ny taratasy ho soniavina; ary ny fanoroana momba ny fanaovana scan taratasy amin'ny alalan'ny finday.
Ireo karazana tranga mety hiseho
Tranga roa no mety hisy arakaraka ny fivondronana tsirairay
- Sokajy 1 (circuit 100% numériques) : Efa afaka mampiasa sonia numerique avokoa ireo mila manao sonia avy ao am-pivondronana (MP, KP, Mpitondra fiangonana)
= Afaka tonga dia manaraka ny dingana omena etsy ambany ary ampidirina ho “signataires” avokoa ireo tokony hanao sonia rehetra araka ny filaharany. - Sokajy 2 (circuit mixte): Mbola tsy tena mahafehy ny fampiasana sonia numérique avokoa ireo mpanao sonia hafa ao am-pivondronana sady tsy afaka ofanina noho ny antony maro samihafa.
= Ampanarahina ny fomba fanaovana sonia taratasy aloha ireo mpanao sonia ao am-pivondronana. Avy eo arahina ny dingana fanaovana scan taratasy (jereo ato), ary ny fangatahana sonia amin’ny faritany ihany no manaraka ny dingana numérique
Fomba fandefasana ny fangatahana sonia
Dingana 1: Midira amin’ny Docuseal
- Midira amin’ny docuseal.com
- Tsindrio hoe “Create free account”,
- Tsindrio ery ambony hoe “Sign in”,
- ary avy eo “Sign in with Google” (io no safidy mba ahafahan’ise mampiasa azy tsy mila hitadidy mot de passe vaovao)
- Tsindrio ery ambony hoe “Sign in”,
- Sokafy eo ny kaonty Gmail an’ise (adiresy gmail an’ise + ny mot de passe Gmail an’ise)
Fanamarihana: Mety hangataka amin’ise izy hoe soraty “Verification code”, jereo any anaty email an’ise fa alefany email any io. Kaody tarehimarika 6 (andefasany vaovao isaky ny miverina manokatra)
Dingana 2: Ampidiro ny taratasy ho ampanasoniavina
Raha voakasiky ny tranga faha-2 ny fivondronana (misy mpanao sonia tena tsy afaka manao sonia numerique fa tsy maintsy sonia an-taratasy), dia araho aloha ny dingana fanaovana scan taratasy.
- Tsindrio ny marika “Upload New Document” ary safidio ny taratasy ho ampanasoniavin’ise
- Tsindrio ny “+” ery ambany ankavanana hanoroana ireo toerana rehetra mila fenoina sy asiana sonia (raha amin’ny PC izy dia tonga dia mipoitra eo ankavanana avokoa ny safidy rehetra)
- Ho an’ny fivondronana efa voasokajy ao anatin’ny Sokajy 1 (efa 100% numerique), dia asesy araka ny filaharany ireo mpanao sonia (oh: ampidirina avokoa aloha ireo tokony anjara fenoin’ny Tonia; izay vao manao “Ajouter second signataire / Add second party” sy mampiditra ny anjaran’ny KP na Filoha
- Hamarino tsara, rehefa vonona ny zavatra rehetra, dia tsindrio eo amin’ny
(Send/Envoyer) eny ambony ankavanana.
- Ampidiro eo ny email an’ireo tokony hanao sonia. Jereo ato ny adiresy email an’ny Faritra misy ny fivondronan’ise. Rehefa tafiditra dia tsindrio ny bouton eo ambany hoe “Add recipients”. Lasa !
Inona no mitranga aorian’izay ?
Maharay email ny mpanao sonia. Misy lien sokafany ao amin’io email io ahafahany mamaky ny taratasy ary mametaka ny soniany. Vao mahavita ny anjara soniany avokoa ireo mpanao sonia dia maharay email ise sy ireo mpanao sonia rehetra, misy ny dika mitovy amin’ny taratasy vita sonia.
Ho an’ireo Fivondronana anaty Sokajy voalohany efa 100% numerique ka misy mpanao maromaro dia mifandimby maharay araka ny filaharany ireo mpanao sonia. Rehefa mahavita ny anjara soniany ny mpanao sonia voalohany vao maharay ny anjarany ny manaraka.

Mety misy tranga hoe tsy hitan’ilay mpanao sonia ilay email na hoe mila mampatsiahy azy ise.
Misy bouton hoe “Copy link” (Copier le lien) io mifanitsy amin’ny mpanao sonia tsirairay, tsindrian’ise io dia mahazo lien manokana ho azy ise, alefaso aminy ahafahany manao sonia.
Fanamarihana sy fanampim-panazavana tsara ho fantatra
Momba ny sonia
- Tsy mampiasa ny sonia amin’ny endrika anarana isika fa sonia faritana tanana no ampiasaina na dia niomerika aza (isan’ny antony nifidianana manokana ny Docuseal dia noho izy mora hanaovana an’io)
- Ny sonia “civil” araka izay misoratra ao anaty kara-panondro no manan-kery eo anatrehan’ny lalàna ka io no sonia ampiasaintsika
- Izay olona manam-pahefana hanao ny sonia no mahazo manao sonia. Raha olon-kafa no voatendry hanao sonia misolo toerana azy, dia manoratra ny soniany sy ny tena andraikiny eo ilay mpanao sonia (fa TSY ny an’ilay soloiny tena), ary manampy soratra hoe “P.O” na “Par procuration”
Paramètres tsara amboarin’ise hanamorana ny fampiasana azy
- Midira ao amin’ny Settings > Account (Paramètres > Compte) https://docuseal.com/settings/account
- Timezone: soloina GMT+03:00 Nairobi (io no ora mifanaraka amin’i Madagasikara, mba tsy hahadiso ny daty voatahiry)
- Language: Français
Ampahany ahafahana manomboka fotsiny ireo fa arakaraka ny hizaran’ise ny fampiasana fitaovana dia ho hitan’ise tsikelikely ireo pitsopitsony rehetra mbola afaka ho fehezina sy hanamorana be be kokoa ny fampiasana ity fanaovan-tsonia ity, tsy ho an’ny sehatra tily ihany fa hatrany amin’ny fiainana andavanandro
Lalàna mifehy ny sonia elektronika eto Madagasikara
Loi N° 66-003 du 2 juillet 1966 relative a la theorie generale des obligations
Chapitre premier: de la preuve par écrit. Section III. Art. 272 – La signature des parties est obligatoire. Elle ne peut être remplacée ni par un signe ni par des empreintes digitales ni par la signature de témoins.
Le mandataire ne peut signer du nom de son mandant mais de son propre nom précédé des mots
«par procuration» ou de toute autre expression équivalente.
Loi 2014-025 sur la signature électronique
Article 6.3: Une signature électronique est présumée fiable si elle remplit toutes les conditions mentionnées ci-après :
- Les données afférentes à la création de signature sont, dans le contexte dans lequel elles sont utilisées, liées exclusivement au signataires;
- Les données afférentes à la création de signature étaient, au moment de la signature, sous le contrôle exclusif du signataire;
- Toute modification apportées à la signature est décelable; et
- Dans le cas où l’exigence légale de signature a pour but de garantir l’intégrité de l’information à laquelle elle se rapporte, toute modification apportée à cette information après le moment de la signature est décelable.
Loi N° 2015-035 Modifiant et complétant certaines dispositions du Code de procédure civile malagasy modifié par la Loi n° 2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant certaines dispositions du Code de procédure civile.
- Article 9 alinéa 2 : Le mode de preuve par voie électronique est admis au même titre que celui sur support papier.
Safidy ara-pitaovana natao
Maro ny fitaovana afaka ampiasaina anaovana ity sonia numerika ity: Adobe Sign, DocuSign, OpenSign (mety hoe efa mampiasa fitaovana hafa ohatra ise ao amin’ny toeram-piasan’ise andavanandro)
Samy manan-kery avokoa ny sonia avoakan’ireny.
Nofidiana manokana kosa ny Docuseal noho izy mahavaly ny filàntsika tsy andoavam-bola (ary Open Source), ary mora ampiasaina kokoa mihoatra amin’ireo tolotra open source hafa.
