Soridalana hampiroboroboana ny digitalisation eto Analamanga Afovoany

Inona no anton’ity soridalana ity ?

FilĂ na efa hita miha-miroborobo be sady kihon-dalana tsy azo ihodivirana amin’ny lafim-piainana rehetra atrehantsika sy ny beazintsika ny numerique ankehitriny. Sady fanararaotra koa nefa.

Eo amin’ny fiainana andavanandron’ny beazina sy ny tsirairay : manome sehatra afaka hahafahan’ny beazina mibe tena (mampitombo talenta sy fahaiza-manao, ary mampihatra) ny numeriques, raha tsy hilaza afa tsy ireo talenta tily efa fampiasantsika. Na ho an’ireo beazina, na ho an’ny mpiandraikitra miomana hiditra amin’ny tontolon’ny asa koa dia ahafahany hialoha lalana amin’izany raha misy sehatra ahafahany mampihatra ny talentany azony trandrahana ato amin’ny Tily.

Eto amin’ny faritany : mifanojo amin’ny laharam-pahamehana himasoan’ny Faritany amin’ny lafiny fikarohana sy haivao ireo fanararaotra atolotry ny tontolo numerique :

  • Hanamora ny asa sy ny fomba fiasa, ary hahatonga antsika hahazo vokatra kokoa amin’ny fandaniana (fotoana, vola, hery) mitovy na latsaka (efficience operationnelle)
  • Hamporisika ny fihavaozana sy ny fitrandrahana ireo teknolojia ho fitaovam-pitantanana sy fanatsarana ny fanabeazana (transition numĂ©rique, zero papier)

Eo anivon’ny OMMS : Efa laharam-pahamehana ao anatin’ny StratĂ©gie Mondiale 2024-2033 ny fitrandrahana ny numerique hanamorana ny asa.

Ahafahana miatrika izany sy mamadika azy ho fanararaotra ho an’ny fanabeazana dia ilaina ny mamaritra tsara mialoha ireo ho laharam-pahamehana sy ny fomba hiatrehana azy, indrindra ny amin’ny hahafahana mametraka fototra maharitra hisian’ny fitohizana sy ny fifamenoana any aoriana.

Ireo laharam-pahamehana

Ho an’izay rehetra manana tetikasa na maniry hitrandraka talenta amin’ny tontolon’ny numerique dia ireto no laharam-pahamehana amporisihina eto amin’ny Faritany Analamanga Afovoany.

Fitantanana olombelona
Base de données RH

Fanarahamaso fanabeazana Suivi-évaluation

Fanamorana asa sy fanapahan-kevitra
Efficience & Aide à la décision

Laharam-pahamehana 1 : Fitantanana olombelona (Base de données RH)

Io no fototry ny filĂ na voalohany. Samy manana filĂ na samihafa avokoa ny departemanta sy ny fivondronana (DFAV, DFB, ODK, TPTEM, …) fa mitovy ny fototra ilaina dia fanangonana sy fikirakirana ny mombamomba ny olombelona ato amin’ny faritany, mety ho ny beazina, mety ho mpanabe, mety ho karazan’olona mifangaro (lisitra, fiches individuelles, CV, annuaires, logins, …). Tafiditra ao anatin’io laharam-pahamehana io koa ny fisorohana sy ny fitadiavana vahaolana amin’ny fanadiovana (anomalies, doublons, …) sy ny fiarovana ireo donnĂ©es ireo (sĂ©curitĂ© des donnĂ©es).

Laharam-pahamehana 2 : Fanarahamaso fanabeazana (Suivi-évaluation)

Fanabeazana no antom-pisiantsika. Amporisihina ireo hevitra sy tetikasa ahafahana manaramaso sy manamora ny asa fanabeazana. Indrindra ireo ahafahana mitrandraka ireo mombamomba ny tsirairay (Laharam-pahamehana 1) ahafahana manolotra antontanisa sy vahaolana mifanaraka amin’ny filĂ n’ny fanabeazana (na ny fanofanana), ary ahafahana mandrefy ny fiantraikan’ny fanabeazana (eo amin’ny fiainany na eo amin’ny fiarahamonina)

Laharam-pahamehana 3 : Fanamorana asa sy fanapahan-kevitra (Efficience & Aide à la décision)

Farany. Amporisihina ireo hevitra sy tetikasa ahafahana manamora sy manatsara ny fomba fiasa sy ny fanapahan-kevitra na eo anivon’ny fivondronana na eo anivon’ny Faritany. Tafiditra ao anatin’izany ireo karazana fitaovana rehetra hahafahan’ny mpanabe mifantoka tanteraka amin’ny fanatsarana ny votoatim-panabeazana, sy mampihena ny vesatr’ireo lafin’andraikitra hafa rehetra.

Lalan-tsaina mila tandrovana

Ireto no lalan-tsaina tokony tandrovana mba ahafahantsika hanana antoka hoe hiroborobo sy tena hamaly ny filĂ na maharitra ho an’ny Tily eto Madagasikara (Faritany na Fivondronana) ny asa saina aroson’ny tsirairay rehefa mamolavola tetikasa numerique.

  • Mitsinjo lavitra (DurabilitĂ©) : ny projets atomboka dia kajiana dieny am-piandohana izay hampaharitra azy na tsy ho eo intsony ary ise. Tsy tokony hisy mihitsy hoe hiantehatra amin’olon-tokana ohatra na ny codes, na ny base de donnĂ©es, na ny ressources mampiodina azy.
  • InteroperabilitĂ© : ny projets atomboka dia kajiana dieny am-piandohana ny mety hahafahana hampivady na hanitatra azy miaraka amina projets hafa any aoriana any. Manana torolalana feno afaka hakana lesona mahakasika an’io lafiny io ny UnitĂ© de Gouvernance (UGD)
  • Fanomezana sehatra talenta : fanabeazana no antom-pisiantsika, ny zavatra rehetra ataontsika izany raha mbola misy irika ahafahana manome sehatra ny tanora na hitrandrahana talenta dia izay no atao laharam-pahamehana.

Ahoana no mety ho fampiharana an’izany ?

Miainga tamin’ireo no namaritana ireto taridalana ireto. Ny initiatives/projets rehetra atomboka dia amporisihina hampihatra ireto fepetra ireto :

Alignement sur les standards existants: Amporisihana ise hamantatra sy hampiasa ireo normes efa misy sy fampiasa fanoratana karazana donnĂ©es isaky ny sehatra isanisany : horodatage, personnes (format vcf), lieux, afaka trandrahina koa ireo normes fampiasan’ny UGD (Normes et standards d’interopĂ©rabilitĂ©).

Eto anivon’ny Faritany dia noezahina nofaritana ato anatin’ity Dictionnaire de donnĂ©es ity ireo karazana donnĂ©es fampiasa matetika.

Hanamorana ny fampivadiana amin’ny projets hafa any aoriana, dia amporisihina ny fampiasana formats standard fanaovana exportations toy ny : JSON, CSV.

Open source, Open data : Amporisihana ise hamolavola ny tetikasa an’ise araka ireo fomba fiasa Open Source, sy hampiasa ireo teknolojia mifanaraka amin’izany. Toraka izany koa ireo donnĂ©es ampiasaina, araka izay azo atao mba hiainga amin’ireo “DonnĂ©es ouvert” (misokatra ho an’ny rehetra), afa tsy ireo donnĂ©es mombamomba ny olona mazava ho azy.
Ohatra :

Gestion d’accès : Mila anokanana saina manokana ny fitantanana ny accès, ary araka izay azo atao dia tsara ampifanandrifiana amin’ny andraikitra ny fahefana ananan’ny olona tsorairay.

Fanamorana atolotry ny Faritany

  • Dictionnaire de donnĂ©es iraisana ho an’ireo karazana champs sy donnĂ©es fampiasa matetika.
  • DĂ©pot Github : misy ireo tetikasa tarihin’ny DFH Faritany ka ahafahan’ise mandray anjara, na ireo tetikasa tohanan’ny Faritany manokana noho izy mamaly laharam-pahamehana goavana.
  • Groupe facebook MiTilyDev : Fampifandraisana ireo tily manana tetikasa sy mpisehatra ao amin’ny tontolo

Fisaorana

Nanampy be dia be tamin’ny nanovozan-kevitra teo am-pamolavolana ity soridalana ity ny nifanakalozana tamin’ireto Tily manan-talenta be ireto :

  • RASAMOELY Anjarasoa (TATERISALY Mandranto)
  • JEAN NARIVELO Andritsilavo (BOKETRA Liana)
  • RANAIVOSON ANDRIATSILAVO Haja Lalaina
  • RABEARIMANANA Dihariniaina
  • RAKOTONDRATOMPO Bako Harry

Ilain'ise koa ireto