Inona no atao hoe Stratégie Mondiale du scoutisme
Isaky ny 10 taona no miara-mamaritra ny ho lalan-kizorany ny mpikambana rehetra eo anivon’ny OMMS. Lalan-kizorana ankapobeny sy fironan-tsaina no iaraha-manapaka eo, ka io no ho arahin’izay ComitĂ© Mondial voafidy mandritra ireo taom-piasana telo diavina, na iza na iza no voafidy. Mahasahana taom-piasana telo taona (pĂ©riode triennale) in-telo ny stratĂ©gie mondiale.
Ireo asa mivaingana hampiharana ny Strategie Mondiale ao anaty taom-piasana telo taona iray no antsoina hoe Plan triennal.
Avy aiza ny Stratégie Mondiale du scoutisme ?
Ny famolavolana ny StratĂ©gie Mondiale dia miainga amin’ny asa fikarohana nandritra ny 2 taona mahery, niarahana tamina mpikaroka matihanina, fakan-kevitra niarahana tamin’ny solotenan’ny OSN avy amina firenena maro sy mpiaramiombon’antoka ary nisy ny fakan-kevitra anjotra tamin’ny tanora miisa 929.600 manerana an’izao tontolo izao (nozaraina tamin’ny pejin’ny TEM).
Taorian’izay dia nisy ny vakiraoka version voalohany nivoaka ny taona 2023 nangalana ny hevitry ny ny Firenena Mpikambana (anisan’izany ny nanolorana azy teo amin’ny FIFITI 2023). Ary narahina fifanakalozan-kevitra sy fifandresen-dahatra tsy ankiato mandra-panaovana ny fankatoavana azy farany teo amin’ny fivoriambe (ConfĂ©rence Mondiale du Scoutisme).
Ireo dingana nandalovana:
| 30 jona 2022 : | Circular No. GLB-C13-2022 manambara ny fanombohan’ny asa famolavolana |
| Septambra – Desambra 2022 : | Asa fikarohana : famakafakana tatitra sy tomban’ezaka, fandravonana voka-pikarohana avy amin’ny sehatra maro, focus group, Youth Talk |
| Janoary-Jona 2023 : | Famakafakana ny voka-pikarohana, fitsirihana ireo filĂ na iraisana, sy famolavolana ny vakiraoka voalohany |
| Jolay – Desambra 2023 : | fanangonana domberina avy amin’ny firenena rehetra |
| Aogositra 2023 : | natolotra ny FIFITI hahazoana domberina ny vakiraoka voalohany |
| Janoary – Aogositra 2024 : | Fanatsarana ny version atolotra ny ConfĂ©rence Mondiale, fanangonana domberina, fifanakalozan-kevitra |
| 22 Aogositra 2024 : | lany 100% ny version farany. |
