Ity boky ity hanampy an’ise mpanabe hahazo tsara ny fifandraisan’ny Skotisma tily sy ireo ODD ireo ary hampiasa azy anaty fandaharam-panabeazana.
Mila sopapa ise amin’ny mety ho endrika hampiharana azy ?Jereo ato misy tsirin-kevitra maromaro azon’ise iaingana
Iza no namokatra an’ireo ?
Io tranonkala io sy ireto bokikely roa ireto dia novokarin’ny Foibe Tily eto Madagasikara.
Ny ODD amin’ny maha-ODD azy kosa dia tsy an’ny skoto irery, ary tsy ny skoto no namorona azy fa tanjona iraisan’ny rehetra.Tamin’ny volana septambra 2015 dia nivory avokoa ireo Firenena miisa 193 ao amin’ny FirenenaMikambana, isan’izany i Madagasikara, ka niara-nanapaka fa samy hiezaka avokoa hahatratratanjona 17 izay niarahan’izy ireo namaritra. Nifanome fotoana ireo firenena ireo famandra-pahatonga ny taona 2030 dia hanao ny ezaka rehetra hahatratra ireo tanjona 17 ireo.Manana andraikitra avokoa ny rehetra mba ho tratra ireo tanjona ireo : ny mpitondra firenena, nysehatra tsy miankina, ny olom-pirenena tsirairay. Ise io koa !
