Ity boky ity no nosoratan’i Baden Powell nanazavany ny hevitra nanorenany ny skotisma, indrindra araka izay nampifandraisintsika amin’ny Sampana Maitso ankehitriny.
Edisiona karazany samihafa no atolotra an’ise ato isafidianan’ise izay mora vakiana kokoa ho an’ise. Fa koa hananan’ise karazany hanampy an’ise hampitaha sy hanakatra ireo foto-kevitra nanoratany azy.
Dikateny frantsay nivoaka ny taona 2019 ity. Mariho fa na ny nandikana ny lohateny aza dia tsy “L’Eclaireur” toy ny dikateny hafa taloha fa nadikany hoe “Le Guide du Scoutisme”
Teny anglisy, boky natao scan. Edisiona nampiasain’ny The Boy Scout Association (UK Scouts ankehitriny) ho torolalana tamin’izany.
Teny anglisy, boky naverina natao saisie.
Ampatsiahivina hatrany fa itony boky fototra itony dia natao handalinana ireo foto-kevitra sy fisainana tian’i Baden Powell nampitaina. Ny endrika fampiainana asehony ao kosa dia araka izay hitany fa sahaza tamin’ny ho an’ny zatovo anglisy tamin’ny 100 taona lasa, izay mety efa misy mahasamihafa azy amin’ny fomba fampiharantsika Tily eto Madagasikara (ho an’ny zatovo kristianina, eto Madagasikara, aty amin’ny taonjato faha-21)
